SocialTatitra

France: Lehilahy iray nisy nitifitra teny an-dalambe

Lehilahy iray 18 taona no nisy nitifitra ka naratra mafy tao amin’ny araben’i Marseille avaratra. Araka ny fanazavana dia nahitana diam-bala telo tamin’ny vatany rehefa nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly. Araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny zava-nisy, in-enina notifirina ity tovolahy ity ary nitondra fiara ireo nikasa hamono azy ka nitsoaka nandositra taorian’izay. Fotoana fohy taorian’izay, rehefa nanao ny fikarohana ny mpitandro filaminana sy ny sampana mpamonjy voina ao an-toerana dia hita nirehitra ity fiara ity. hita ihany koa fa fiara halatra ity nampiasaina ity ary nisy fitaovam-piadiana tao anatiny.

Laisser un commentaire