SocialTatitra

Soudan : Tafakatra hatramin’ny 134 isa ireo namoy ny ainy vokatry ny ady ao an-tanànan’i El-fasher

Tafakatra hatramin’ny 134 ny isan’ireo namoy ny ainy vokatry ny ady ao Soudan amin’izao fotoana.  Nihamafy izany fipoahana ady izany tao anatin’ny roa herinandro izao ary anisan’ny mitondra faisana ary voa mafy indrindra ireo mponina ao an-tanànan’i El-Fasher. Ny faran’ny herinandro teo, namoaka tatitra manoloana ity ady ao Soudan ity ny avy amin’ny fikambanana Médecins sans frontiers, ity farany izany anisan’ny namoy mpiasa iray vokatry ny daroka baomba tamin’ny toeram-piasany tao amin’ny trano fivarotam-panafody. Ahiana ny mety mbola hiakaran’ny tahan’ireo olona maty raha ny fanazavana, noho ny fahamafisan’ny ady, fa indrindra noho ny sakana tsy ahafahan’ireo lasibatra mamonjy toeram-pitsaboana. Amin’izao fotoana ihany koa, hopitaly iray no mandray ireo maratra sy marary ao El-Fasher. Hatramin’ny nanombohan’ny ady anefa, mahatratra hatramin’ny 980 ireo olona tsaboina ka tsy maharaka ireo mpiasan’ny hopitaly ity.

Laisser un commentaire