ActualitésTsidika

26 Jona : Hanotrokotroka ny fankalazana ao Alasora

Fotoana iray hanehoana ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ny andro fankalazana ny fetim-pirenena. Tsy hangina akory ny ao Alasora mandritra io fetim-pirenena io. Hisy ny fankalazana izany amin’ny endriny samihafa.

« Hisy ny fampisehoana ataon’ireo mpanakanto ny 25 jona amin’ny 4 ora hariva ao amin’ny Kianja Maitso Alasora. Etsy an-kilany, hanomboka amin’ny 5 ora hariva kosa ny fampisehoana ataon’ireo mpihira fiderana ao Ankadindratombo. Hofaranana amin’ny hira gasy goavana be ny 26 jona amin’ny 2 ora sy sasany ao amin’ny Kianja Maitso Alasora. Hisy hatrany afomanga hofanamarihana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.

« Hahafinaritra io fankalazana ny 26 jona io eto Alasora. Tena miezaka hatrany mampiray ny vahoaka sy ny mponina mihitsy ny tompon’andraikitra » hoy i Ando, mponina ao Alasora. Maimaimpoana avokoa ireo hetsika rehetra mandritra io fetim-pirenena ao Alasora io. Manana safidy tsara isika mponina, ary natao ho samihafa manaraka ny sokajy misy rehetra ny hetsika.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire