SportTsidika

Ambohimalaza: Misy ny fampianarana ny taranja « tennis »

Misy ny fampianarana « tennis » ao Ambohimalaza. Misy fampianarana ho an’ireo vao manomboka mihitsy, misy koa ho an’ireo efa mahay fa te hanao fanazaran-tena fotsiny ihany.

Efa manomboka miditra tsikelikely ao Ambohimalaza ireo karazana fanatanjahantena. « Ety amin’ny kianjan’i Sekoly Vinet no hianarana ny tennis. Mety ho an’ny sokajin-taona rehetra na ireo mbola tsy mahay mihitsy aza. Efa misy ny fitaovana rehetra ilaina amin’izany ihany koa aty » hoy ny mpampianatra tennis. « Tena mahafinaritra ny tahaka izao. Mampivoatra hatrany ny tanora. Betsaka mantsy ny tanora te hilalao saingy tsy misy ny sehatra hilalaovany » hoy i Andry, mponina ao Ambohimalaza.

Azo atao tsara ny miditra ho mpikambana ao amin’ity ekipa mpilalao tennis ao Ambohimalaza ity. Mirary rahateo ny sarany ho an’ireo te handalina izany manokana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire