SportTsidika

Masindray : Mandroso hatrany ny taranja basketball

Nisy ny lalao ara-piralahiana nataon’ireo tanora mpankafy basketball avy ao Masindray tany Anjeva. Mitohy hatrany ny kotrana ataon’izy ireo isaky ny asabotsy ao amin’ny CEG Masindray.

« Ho entina manatsara hatrany ny ekipa no anton’ny hanaovana ny lalao ara-pirahalahiana. Tena manampy betsaka anay tokoa ny fisian’izany satria toy ny efa manao fifaninana sahady » hoy i Dimby, tanora avy ao Masindray. « Mandroso hatrany ny fanatanjahantena eto. Hisokatra tsy ho ela ihany koa izao ny ekipa vehivavy mpilalao basketball eto Masindray » hoy hatrany izy.

Mila miomana dieny izao noho izany ireo vehivavy te hilalao basketball. Manampy betsaka amin’ny fitaizana ny tanora tokoa ny fanatanjahantena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire