ActualitésTsidika

Ambatomanga: Notolorana masom-boly sy fitaovam-pambolena ireo fikambanam-behivavy

Notoloran’ny fikambanana AFF (Anfry Fototra ho an’ny fampandrosoana) fitaovam-pambolena sy masom-boly ireo fikambanam-behivavy tao amin’ny kaominina Ambatomanga. Fikambanam-behivavy roa, dia ny Association Fanilo sy ny Réseaux des femmes leader no nisitraka izany, araka ny voalaza.

« Angady, sobika, borety ary bidon no natolotra ny Association Fanilo, izay vao niorina tsy ela akory. Ho an’ny Reseaux des femmes Leader kosa dia notolorana masom-boly. Ity farany izay fikambanana misandrahaka manaerana ny ireo fokontany 25 ao an-toerana » hoy ny avy amin’ny fikambanana AFF.

 » Zava-dehibe ho an’ny fikambanana ny fanohanana tahaka izao. Hisaorana ny fikambanana amin’ny tolo-tanana ary vonona hifanohana hatany ho fampandrosoana ny ety ifotony » hoy ireo avy amin’ny fikambanana Réseaux des femmes leaders.

Tsiahivina fa ny fikambanana AFF dia anisan’ireo fikambanana mandray misehatra amin’ny fanampianaa ara-tsosialy , indrindra ny eny ifotony. Manampy ireo fikambanana ary mamporisika ny fampiroboroboana ara-tsosialy, indrindra ny lafin’ny fambolena.

Laisser un commentaire