Dépêches

DREN Betsiboka : Nahazo ny anjara fanampiany ihany koa ireo mpianatra sy mpampianatra

Dépêche 08 juin, 12h, Toy ny toerana tsirairay izay efa nahazo ny tohana sy ny fanampiana maro be avy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena dia nahazo ny anjarany ihany koa ny DREN Betsiboka. Samy nahazo tombony tamin’izany avokoa na ireo mpampianatra na ireo mpianatra. Ny mpampianatra izay nahazo ny taratasy fifanarahana araka asa ho mpiasam-panjakana, mpampianatra FRAM miisa 121 izy ireo. Nisitraka trano sekoly miisa 26 ihany koa ireo mpianatra, narahina fanomezana boky fianarana sy boky mirakitra ny fandaharam-pianarana izany. Misy tamin’ireo mpampianatra ihany koa izay notolorana bisikileta entina hanampiana azy ireo amin’ny asa sahaniny.

Laisser un commentaire