ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Ny hetsika fanadiovana sy fitaomana ny fako

Manatanteraka hetsika fanadiovana sy fitaomana fako ao Ambohimangakely ny kaominina amin’izao fotoana. Manara-maso hatrany ny fizotran’ny asa ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy, izay miezaka hatrany ho an’ny fampandrosoana ny tanàna.

« Manara-maso hatrany na andro na alina ny avy ato amin’ny kaominina mba hisian’ny asa tsara. Tanàna madio sy milamina no tanjontsika mba hahafahantsika mivoatra hatrany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Tsara foana raha manary fako any amin’ny toerana voatokana isika. Tsy tokony ny kaominina irery no hiasa fa isika mponina ihany koa. Tanàna iraisana ity ary samy hisitraka tombontsoa isika raha madio izy » hoy i Romain, mponina ao Ambohimangakely.

Ny toe-tsaina tokoa no mitondra ny fandrosoana. Ny fahaizantsika mitantana tsara ny fako miainga amin’ny isam-batan’olona no fanombohany.

Diamondra Randriantsiferana

Laisser un commentaire