Dépêches

Brickaville: Lehilahy 5 mpangalatra taolam-paty saron’ny Polisy.

Dépêche 08 décembre, 14h15, Lehilahy miisa 5 indray no tra-tehaky ny Polisy raha nitondra taolam-paty avy nangalarina izay saika haterina tao Toamasina. Loharanom-baovao avy amin’ny olon-tsiotra no nahafantarana fa nisy mpamaky fasana karohina fa nangaltra tao Nosivarika. Tratra tamin’izany gony dimy(05)mody nasiana « charbon » sy valizy roa(02)samy feno taolam-paty, izay miisa 397  natao ambony tafon’ny fiara. Natao famotorana kosa ilay mpamily sy ilay mpanampy azy fa ahaiahaiana ho mpiray tsikombakomba tamin’ity asa ratsy ity. Trangam-piaraha-monina mbola tsy mety voasoroka satria tsy mety tratra ilay tena mpandraharaha mpandray izany taolam-paty izany.

Laisser un commentaire