Fahasalamana : Inona no atao hoe « insuffisance rénale »
Lafo ny fitsaboana ny « insuffisance rénale » raha eto Madagasikara manokana, eny amin’ny Hopitaly lehibe. Aretin’ny voa ny « insuffisance rénale », ary maro ny endrika isehoany.
Mivonto ny tongotra noho ny fiangonan’ny rano amin’ny vatana. Sempotra sy reraka, maloiloy sy malemilemy ny vatana. Mavesatra sy manindrona ny tratra na mety tsy hahatsiaro tena mihitsy. Mety mamany na mamany fa kely ny olona tratran’ity aretina ity. Betsaka ny mahatonga izany toy ny tsy fahampian’ny rano, ny tosi-dra miakatra matetika, ny fahasimban’ny aty. Eo ihany koa ny fisotroana toaka sy fifohana sigara. Tsy tsara loatra ny mihinana ireny fanafody manala fanaintainana sy mampitombo ny hery fiarovana ireny raha toa tsy mazoto misotro rano.
Misy ireo sakafo tokony ho fadian’ny olona tratran’ny « insuffisance renale ». Ohatra amin’izany ny zava-pisotro misy entona, ny hena, ny sakay, ny ovy, ny voatabia, ny voaloboka, ny akondro, ny zavoka, chips sy ny namany ireny. Tsara hohanina kosa ny mananasy, poivron, tongolo, menaka « olive », akoho, atody, chou fleur.
Sarobidy ny fahasalamana ary lahitokana ny aina. Aleo mitsandrina hatrany toy izay mitsabo.
Nicole Rafalimananjara
