ActualitésTatitra

Ethiopie : Mananontanina ny hain-tany

Tandindomin-doza amin’ny mety hisian’ny hain-tany, ka hiteraka ny tsy fisian’ny sakafo, i Ethiopie amin’izao. Nivory ny mpikambana 15 ao amin’ny filan-kevitry ny filaminana ao amin’ny ONU mikasika ny fanimbana ataon’ny olombelona saingy tsy nahita vahaolana. Ho simba ny fiainan’ny olombelona ka vinavinaina ho 91% amin’ny mponina any an-toerana no hianjadian’ny olana ara-tsakafo ka mila tosika. Nanamafy izany ihany koa ny avy ao amin’ny « Bureau de la coordination des Affaires Humanitaires des Nations Unies (OCHA) » fa ho enjana ny toe-draharaha tahaka ilay hain-tany nisy tany Somalie folo taona lasa izay izay nahakasika olona 250 000 be izao tany an-toerana. Izany mantsy no krizy ara-tsakafo enjana indrindra hataramin’izay ary izao mandindona izao indray i Ethiopie hoy i Mark Lowcock izay filohan’ny OCHA.

Laisser un commentaire