Argentine : Mpilalao baolina kitra vehivavy iray maty novonoin’ny sakaizany taloha
Misaona ny tontolon’ny baolina kitra, indrindra ho an’ny klioban’i Atlético Argentino. Maty novonoin’ny sakaizany, tao an-tranony, tamin’ny sabotsy teo ilay mpilalao baoilina kitra vehivavy, Florencia Guinazu. Taorian’ny famonoana azy, dia nametraka taratasy teo am-baravarany ity sakaizany taloha ity, izay nilaza fa « antsoy ny mpitandro filaminana, fa irery ireo zanany », taorian’izay dia namono tena ihany koa izy. Taorian’izay, nanao fanambarana ny ministry ny fitsarana any an-toerana, fa niharan’ny didy fanesorana azy hanalavitra ity mpilalao vehivavy, ity sakaizany ity ny vola novambra 2023 teo. i Florencia Guinazu moa dia namela ny zanany mianadahy, zazalahy fito taona sy zazavavikely dimy taona.
