Hain-tany : Nanampy ireo mponina any Atsimo ny masoivohon’i Etats-Unis
Nitsidika ireo faritra lasibatry ny hain-tany ny masoivoho Amerikanina miasa eto Madagasikara. Naharitra roa andro ny dian’izy ireo tany Atsimon’ny Nosy izay nitondrany fanampiana ho an’ireo mponina.
« Mahavaky fo ny mahita ny fahasahiranana mianjady amin’ny mponina any atsimo. Henoko ny momba ireo mponina niaritra loza nifanesisesy toy ny hain-tany faran’izay henjana, ny andiam-balala, sy ny rivodoza. Ny entan-jaraina tokoa mora zaka » hoy i Cindy McCain, Ambasadaoron’i Etats-Unis miasa amin’ny sampan-draharaha telo an’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo ao Rome. Ny Mpiandraiki-draharaha Amy Hyatt rahateo dia nanambara fa « Mijanona ho laharam-pahamehana ho an’ny governemanta amerikana ny fanampiana amin’ny vaninandro sarotra toy izao any atsimo » hoy i Amy Hyatt, mpiandraiki-draharaha amerikanina.
Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena Malagasy sy Etats-Unis ny fifanohanana tahaka izao. Hirariana hitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena mandroso azo atao fankan-tahaka.
Herimalala Ratsimbazafy
