PolitiqueTsidika

Niverina nitsidika tsena teny Imeritsiatosika indray i Marc Ravalomanana

Nangingina teo aloha ny fitetezan-tsena nataon’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana dia niverina indray izy ankehitriny. Nitsiidka an’Imerintsiatosika izy ny 01 septambra 2021 teo ary vory vahoaka indray tany an-toerana. « Tsapako teto Imerintsiatosika androany fa fidiran’ny mpianatra no manahirana mafy ireo Ray amandreny » hoy ity filoha ity nandritra ny filatsahana an-tsehatra.

Betsaka ny feo nivoaka taorian’io firotsahana an-tsena nataony io. « Vahaolana maharitra sy mahomby ary asa avy hatrany no tena ilain’ny mponina fa tsy fisotomana lakolosy fotsiny » hoy ny hafa. « Tsy mahita izay ho atao intsony ity rangahy ity fa very seza tanteraka, maninona raha miandry ny fifidianana amin’n 2023 vao misehoseho sy manaofampielezan-kevitra » hoy ny sasany.

Fa inona tokoa no tanjony amin’izao ? Amin’ny maha olom-pirenena azy sa mbola mieritreritra ho mamim-bahoaka ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire