Faritra Sofia : Mipoitra sahady ireo lalan-dratsy eny amin’ny lalam-pirenena faha-32
Misedra olana vokatry ny lalan-dratsy sahady ireo mponina any amin’ny faritra Sofia. Ny lalana izay mapitohy an’Antsohihy sy Mandritsara no ahitana fahasimbana namomboka ity volana ity. Mipoitra ary miharatsy ny lalana vantany vao misy rotsak’orana. Ahiana hifara hatramin’ny fahatapahan’ny lalana izany raha tsy misy ny fandraisana andraikitr’ireo Minisitera misahana izany. Marihina fa misy ihany ny fanamboaran-dalana, saingy vonjy maika fotsiny izany.Etsy ankilany, maro ireo fiara mpitatitra minia mandika ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, indrindra ireo fiara lehibe izay mitatitra entana tsy mifanaraka amin’ny fetra farany tokony ho zakan’ny lalana. Eo ihany koa ny fahanteran’ny fotodrafitr’asa, izay mitarika tsikelikely amin’ny fahasimbana tanteraka. « Ampahany amin’ny lalana simba no nasiam-panamboarana amin’izao fotoana, izany hoe ireo lavadavaka ihany » hoy i Fidy, mpitatitra zotra nasionaly. « Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikolokoloina ny lalana ireo mpitatitra, izay anisan’ny mampiasa izany ho antom-pivelomany. Manana anjara andraikitra lehibe amin’izany ihany koa ny Minisitry ny fitaterana, saingy variana loatra amin’ny fiaterana an-tariby any an-drenivohitra » hoy i Sophie, mponina ao Mandritsara. « Marihina fa mandoa hetra any amin’ny fanjakana ireo koperativa ka izany vola izany ihany no tokony hampiasaina amin’ny fanam-boaran-dalana fa tsy hiandry famatsiam-bola lalandava. Amiko manokana tsy tokony hisy intsony izany lalana ratsy izany raha toa ka mahavelon-tena sy mangarahara ny fitatanam-bola eo amin’ny Minisitera » hoy ny tompn’andraikitra eo amin’ny fikambanan’ny mpitatitra.Manoloana izany indrindra no nanambara ireo tompon’andraikitra eo amin’ny mpitandro filaminana fa « tsy maintsy manadalo fitsirihina avokoa ireo ny fiara mpitatitra vokatra rehetra izay mifamezivezy, ka tsy tokony hisy intsony izany hoe fiara mitondra entana mavesatra izany. Hampiatra sy hampianatra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ihany koa no antom-pisian’ireny mpitandro ny filaminana izay manaramaso eny amin’ny lalam-pirenena ireny ». Fotoana hanararaotan’ireo koperativa amin’ny fampiakarana ny saran-dalana ny vanim-potoana fahavaratra, izay fotoana mampirongatra ny lalan-dratsy. Tsy misy fifampiresahana eo amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, fa fanapahan-kevitra miaro fitiavan-tena avy hatrany no hampiarina. Ny Minisitera mpiahy no manao tandrevaka amn’ny asany hany ka ireo vahoaka madinika no mizaka ny vokany. Anisan’ireo vato misakana ny fampandrosoana isam-paritra etsy andaniny ny lalan-dratsy, izay mitarika ny faritra hitoka-monina.
Haingotiana Andriamihaja
