ActualitésTsidika

29 Martsa : Fahatsiarovana ireo tia tanindrazana

Tsaroana isaky ny 29 Martsa ny andron’ireo mahery fon’ny firenena niady ho an’ny fahaleovan-tenan’ny firenena. Ho tsaroina ho amin’ity 29 Martsa ity ihany koa ny nafafatesan’ny Filoha teo aloha ny Amiraly Didier Ignace Ratsiraka.

« Misy ny fametrahana voninkazo eny amin’ny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina. Hisy ihany koa ny fanompom-pivavahana, izay tanterahina ao amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe manomboka amin’ny 2 ora tolak’andro » hoy ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika. « Daty manan-tantara ho antsika Malagasy tokoa ny 29 Martsa 1947. Niady ho an’ny fahafahana ireo Malagasy tamin’izany. Betsaka ireo namoy ny ainy tamin’izany ary mbola ao ireo mitondra-takaitra hatramin’izao » hoy i Rabarijaona, mpahay tantatra.

Andro fahatsiarovana ireo tia tanindrazana tokoa ny 29 Martsa. Antenaina fa tsy lany olomanga i Madagasikara, izay vonona hiaro hatrany ny tanindrazana sy hampandroso azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire