ActualitésTsidika

Ilafy : Tovolahy 26 taona tsy hita

Tovolahy vao 26 taona antsoina hoe Razafindrabe Hugues Tojonirina no niala tao an-trano nanomboka ny 26 Martsa lasa teo. Monina ao amin’ny LOT IC 244 Andefan’Ilafy ity tovolahy ity. « Mba mangataka antsika hizara ity vaovao ity sao misy mahita azy any ho any. Tena mitaintaina ny fianakaviany amin’izao. Efa matetika ihany koa ny tranga tsy fandriam-pahalemana izay mampitombo ny tebiteby » hoy ny solontenam-panjakana any Ilafy. « Lehilahy zarazara hoditra izy. Vao 26 taona monja. Sady salama saina tsara izy no tsy misy aretina mitaiza. Tena mitaintaina sy mitebiteby izahay amin’izao. Mbola tsy naharenesam-baovao hatramin’izao » hoy ny fianakaviany.

Mampanontany tena ny maro ihany ny tsy nahitana ity lehilahy efa azo lazaina ho lehibe ity. Antenaina fa ho hita soa aman-tsara izy raha mahay miray hina amin’ny fitadiavana azy ny rehetra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire