ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mpitondra moto nisolifatra tao ambany fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray nitondra tono-droa no no nifatratra tany ambany fiara Opel, araka ny voalaza.

“Ilay nitondra moto nandeha mafy ka nisolifatra tamin’ny taxibe Ambohimangakely ary tany ambany fiara opel mainty nifanena taminy vao tafajanonana. Tsara hisatra ireo fiara opel ka tafajanona ara-potoana. Tsy nahatsiaro tena ilay mpitondra moto taorian’ny nitrangan’ny loza” hoy ireo nanatri-maso.

“Tena manahirana ny ataon’ireo nmpitondra moto ireo, indrindra fa amin’ny lalam-pirenena ity. Mila asina mpandamina sy mpanara-maso indray hamehezana sy hitsinjovana ny rehetra manoloana ireo lozam-pifamoivoizana izay mateti-pitranga tato ho ato” hoy i Tahiana, mponina ao Ambohimangakely.

Maro ny antony mety mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana eny. Mila mitandrina sy mailo hatrany ny tsirairay mpampiasa lalana ary tokony hifanaja ao anatin’izany. Avotra soa aman-tsara moa ity lehilahy nitondra tongo-droa ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire