ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Miverina indray ny fivangoan’ny fako

Miverina indray ny fivangoan’ny fako ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, Andafiavaratra, kaominina Ankadikely Ilafy. Mitariana ireo mponina manoloana izany satria miparitaka hatrany amin’ny lalana, ka tsy misy andehanan’ny mpandeha tongotra intsony izany, araka ny voalaza.

“Mampihaiky ny mahita ireo fako mivangongo eto an-toerana. Anisan’ny tena mampalahelo no mahatezitra satria rehefa tara ny fanalana ny fako dia toa izao hatrany ny zava-misy eto. Tsy hay na fahadisoana avy amin’ny tomponandraikitra na tsy fahampian’ny fananentanana eo amin’ny mpanary fako no mahatonga ny loto tahaka izao” hoy i Haja, mponina ao Ambohitrarahaba.

“Fotoana mahabe ny fako ny vanim-potoana tahaka izao. Raha jerena dia fako avy amin’ny lodsia avokoa no tena mameno io fako io. Mila fandraisana andraikitra manomboka any amin’ny kaominina mihitsy ity olana ity ary mila entitra izy ireo amin’ny fanentanana mponina, indrindra ireo mpivarotra satria manome endrika ratsy ny tanàna no manelingelina ny fiaraha-monina ny fako” hoy i Mamihasina, mpanentana ara-tsosialy.

Ilaina ny fifampitaizana amin’ny resaka fahadiovana eny amin’ny fiaraha-monina. Ny fako izay miteraka olana goavana raha tsy voafehy sy tsy misy fandraisana andraikitra momba izany. Fotoana mahabe ny lodsia ny volana desambara tahaka izao, tsara ny mampatsiahy ny rehetra ireo fitondra-tena tokony atao ho fikajiana ny fahadiovana.

Laisser un commentaire