SocialTatitra

La Réunion :Fanampiana vonjy taitra ho an’ireo tra-boina amin’ny herisetra an-tokantrano


 
Faritany tena iharan’ny herisetra an-tokantrano i La Réunion, laharana faha-4 any Frantsa ny departemanta misy antsika izay manana taham-pahafatesana be indrindra.
 
Araka ny nambaran’ny CAF any La Réunion, dia “isan’andro dia olona efa ho 10 eo ho eo no manatona ny borigadin’ny zandarimaria na any amin’ny tobin’ny polisy noho ny herisetra an-tokantrano (3.812 ireo traboina voaray tamin’ny taona 2022 tao anatin’izany). Amin’ny taona 2022 dia misy : famonoana vehivavy 2, vehivavy niharam-boina 2 050 no noraisin’ny fikambanana manokana ary tranga 2 866 momba ny herisetra an-tokantrano voarakitra.
RépondreTransférer

Laisser un commentaire