Etats-Unis : Tompon’antoka tamin’ny nahafatesan’i George Floyd i Derek Chauvin, raha ny nambaran’ny fitsaràna
Voarohirohy ho tompon’antoka teo anatrehan’ny fitsarana ilay polisy teo aloha an’i Minneapolis, Derek Chauvin, 45 taona ny Talata 20 Martsa lasa teo fa namono an’i George Floyd. Ity farany izay afrikanina-amerikana nosamborina ny Mey 2020 noho ny heloka kely iray. Tsy dia fahita firy ny fanamelohana polisy toy izao any Etats-unis, fa mpitsara 12 no niombon-kevitra fa meloka tokoa ity polisy ity satria namely sy nikasi-tanana an’i George Floyd no nitarika azy tamin’ny fahafatesana. Nasain’i Derek nitazona ny lohaliny teo amin’ny vozony nandritra ny 9 minitra mahery mantsy i George Floyd, izay nihohoka raha natao an-damosina ny tanany. Nisy naka sary anefa izany ka naparitaka ary teraka teo ny fihetsiketsehana manohitra ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanaovana herisetra.
