SocialTatitra

Ethiopie : Nitrangana adim-poko

Misy adim-poko ao amin’ireo faritra maromaro any ethiopie ankehitriny. Ny alatsinainy 18 aprily lasa teo no nisy tranga nampihoron-koditra ny vahoaka maro indray tany an-toerana. Any amin’ny faritra iray antsoina hoe Amhara no nitrangan’ny loza tamin’io fotoana io. Olona 15 no maty vokatry ny fifandonana teo amin’ny faritra samihafa tao Amhara. Nilaza ireo mponina ao amin’io faritra io fa mbola maro ihany koa no naratra mafy sy mihorohoro vokatr’io adim-poko io. Trano maherin’ny folo no nisy nandoro raha toa ka mponina an-tapitrisany no mifindra monina ny alarobia lasa teo. Misy amin’ireo no mialoka any amin’ny sekoly sy toeram-panatanjahantena maro samihafa. “Mitsabo olona mihaotran’ny 30 aho tamin’io fotoana io, ary 10 no maty”, hoy ny mpitsavo tsy miankina iray. Maratra sy namoy ny ainy hatramin’ireo mpitandro ny filaminana ihany koa aza.

Laisser un commentaire