Angleterre : Handao ny Manchester United ny filoha lefitra Ed Woodward
Namoaka filazana ny Manchester United ny Talata 20 Avrily lasa teo fa handao ny klioba amin’ny faran’ny taona 2021 izao ny filoha lefitra Ed Woodward. Izany dia noho ny firotsahan’i Manchester United an-tsehatra tamin’ny tetik’asan’ny Super Ligue européenne niaraka tamina ekipa Eoropeanina 11 hafa kanefa voarahona taorian’ny fisitahan’ny ekipa mpifanila aminy. Tonga tao amin’ny Klioba i Ed Woodward ny taona 2005 ary voafidy ho filoha lefitra ny taona 2012. Hatramin’izay dia nolazain’ny mpanohana ny klioba ho tompon’andraikitra voalohany nahatonga ny fihenan’ny vokatra ho an’ny ekipa izay tsy nahazo ny amboaram-pirenena hatramin’ny vanim-potoana lasa teo ambany fitarihan’i Alex Ferguson tamin’ny 2013 izy. Ary tamin’ny Janvier 2020 aza, notafihan’ny mpanohana ny klioba ny tranony tamin’ny fotoana tsy nahateo azy. Notaomin’ireto mpanohana ny fitaovana Pyrotechnique ary nandoko ny rindrina ho mena. Na dia izany aza anefa sahy mirehareha fa nahavita be tao amin’i Manchester izay klioba lehibe indrindra maneran-tany i Woodward.
