Chine : Hotsaraina any an-toerana i Yang Jun
Any Chine no hotsaraina ilay mpianatra sady mpanoratra avy any Australie, Yang Jun, amin’ity herinandro ity, noho ny fitsikilovana momba ny raharaha Canberra sy Pékin nataony, raha ny nambaran’ny ministry ny raharaham-bahiny ao Australie. Iray amin’ireo olona avy any Australie be mpahafantatra voatazona any Chine i Yang Jun. Manomboka ny alakamisy izao ny fitsarana an’ity mpanoratra fata-daza ity. Efa voatazona nandritra ny roa taona i Yang Jun izao hiatrika fitsarana izao amin’izay. Nanambara ny ministra ao Chine fa afaka manatrika ny fitsarana ireo manam-pahefana avy any Australie. I Yang Jun izay mpietraka any Etats-Unis ary nandà tanteraka ny fiampangana azy, saingy nosamborina hatrany ny janoary 2019 rehefa niverina tao Chine.Misy olona hafa avy any Australie iray ihany koa, izay mpanolotra fandaharana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana amin’ny fiteny anglisy ao Chine “CGTN”, Cheing Lei, no voatazona nanomboka ny volana aogositra 2020 lasa teo. Mpanao gazety roa hafa izay matahotra ny ho voasambotra ihany koa rehefa avy nohadihadian’ny polisy no efa niala tao Chine ny septambra lasa teo.
