Tri sélectif: Fomba iray hanasokajiana fako
Ny “tri sélectif” dia fomba iray fanasokajiana na famerenanana ireo fako araka ny natiorany avy, ohatra amin’izany ny metaly, ny taratasy, ny vera, ny fako organika, mba hanamorana ny fanodinana azy. Anisan’ny fihetsika maha tomponandraikitra azo aseho isan’andro ny “tri sélectif” satria azo ampiharana izany manomboka ao an-tokatrano ka hatreny an’arabe ka hatreny amin’ireo toerana ankalamanjana.
Ny fanasokajiana ny fako dia fihetsika mora atao sy mora tanterahana. Miainga amin’ny fametrahana daba-pako karazany telo mba hanasokajiana ny fako araka ny natiorany avy, ireo voalaza etsy ambony. Raha samy hanao izay fihetsika izao avokoa ny rehetra, dia mora ny fanasokajiana, ny fanodinana ary ny faharetan’ireo fako.
Fihetsika miaro ny tontolo iainana ary tombony ho an’ny rehetra ny fanaovana io fihetsika io satria tsy misy very ireo fako fa voahodina araka ny filàna azy avokoa. Ankoatra izay, mampidi-bola satria misy ireo fako no mivadika ho akora fototra indray hanaovana asa tanana na hanaovana zavatra hafa araka ny filàna fototra.
