Dépêches

Fimpima : Voafidy ho filohan’ny fikambanana manerantany i Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala

30 Aogositra, 17h50, Voafidy ho Filohan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany, tamin’ny vato 92%, Ramatoa Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala izay filoha teo aloha ary hitondra ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FI.MPI.MA.)ho an’ny  taona 2022 -2026. Ny zoma 26 aogositra lasa teo no nanatontosana ny lanonana nanaovan’ity filoha vaovao ity ny fihanihanana ho an’ny anjara andraikiny amin’ny filoha azy. Nentina namaranana ny zaikaben’ny Fimpima ihany koa izany lanonana izany, izay natao tao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina tao Ambatomena.

Laisser un commentaire