Sambava : Lavanila maitso tratra tao anaty valizy
11 Martsa, 12h00. Valizy feno lavanila tsy natoy nilanja 11 kilao nokasaina havoaka antsokosoko no tratra ny 08 martsa 2022 teo. Lehilahy roa avy tao amin’ny Fokontany Soavinandriana no nitondra azy ity raha ny fantatra saingy tafaporitsaka izy ireo. Nilaza kosa ny lehiben’ny Fokontany RAFIDISON Pierre fa entana halatra ity sarona ity. Efa nanokatra fanadihadiana momba ny raharaha kosa ny zandary ao an-toerana
