29 Martsa : Misy ny fampirantiana eny Analakely
Higadona tsy ho ela ny tsiahy ny 29 Martsa 1947, izay ahatsiarovana ny tolona nataon’ireo mahery fon’ny firenena niady ho an’ny fahaleovan-tena. Misy ny hetsika fankalazana izany eny Analakely, izay efa azon’ny rehetra tsidihina. « Ato amin’ny Mozay Mpiady Tia Tanindrazana, RM1 Taloha, no ahitantsika ireo sary sy izay tsara ho fantatra nandritra ny 29 Martsa 1947. Misokatra ho an’ny rehetra amin’ny fotoana rehetra izany » hoy ny mpikarakara. « Tsara ny mahay ny tantara. Tsara ny manohana ireo mpiray tanindrazana amin’ny fampahafantarana ny tantara. Ny fahafantarana ny tantara no isan’ny fandrosoan’ny firenena. Izay no mahatonga ny tantara ao anaty fandaharam-pianarana » hoy i Albert, mpampianatra tantara eny amin’ny lycée.
Manodidina ny tolona nataon’ireo mpiray tanindrazana ny hetsika ho atao. Irariana ho betsaka ny hijery izany ary indrindra hitondra fanovana eto amin’ny firenena ho tena hahaleo tena tokoa araka ireo tolona efa nataon’ireo Malagasy tamin’izany.
Nicole Rafalimananjara
