France: Nametraka fepetra vaovao ho an’ny tafika ny Minisitry ny atitany
Nilaza ireo fepetra vaovao mba hitantana tsara tafika Frantsay ny Minisitry ny atitany, Gérald Darmanin, ny alakamisy 22 jolay lasa teo. Nandritra ny kabary nataony tao amin’ny Zandarimaria Ambert no nilazany fa hanolotra soson-kevitra ny handraràna ny fahazoana sy ny fananana fitaovam-piadiana mivezivezy izy. Nohamafisiny nandritra izany ny fandrarana ny fitaovam-piadiana, izay tokony horesahina amin’ny Parlemanta. Mila havaozina hoy izy ny lisitra ho an’ireo olona afaka ny hanana sy hividy ny fitaovam-piadiana mba hisorohana amin’ny tsy fandrim-pahalemana any France.
