Ny vaksiny Covishield no ho tonga voalohany
03 Mey, 14h46. Nanamafy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa ho tonga ny 7 Mey izao ny vaksiny ho tonga voalohany eto amintsika. Ny vaksiny Covishield no ho tonga voalohany izay avy amin’ny tranom-barotra Verity Pharmceuticals Inc/Serum Institute on India, isan’ireo mpiara-miasa amin’ny AstraZeneca. Ireo olona marefo sy ny marary no hisitraka voalohany ity vaksiny ity fa jerena manokana kosa ireo manao fangatahana azy manokana ny hanao izany.
