Manandriana : Nozaraina fitaovam-pianarana ireo mpianatra mendrika
Nisy ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra mendrika tao amin’ny EPP Ambohitsoa, kaominina Manandriana, izay natolotry ny ben’ny tanàna tao an-toerana niaraka tamin’ny fikambanana Sef Franco Malgache. Ankoatra ny fizarana fitaovana dia nisy ihany koa ny fizahana ara-pahasalamana natao ireo ankizy.
« Faly tokoa izahay ray aman-dreny satria mahatsiaro manana mpiahy, mitsinjo sy mizara toa izao. Manosika ireo zanaka hiezaka hatrany ny fanomezana toa izao » hoy i Vero, ray aman-drenin’ny mpianatra. « Misy hatrany ny ezaka fanampiana ireo ray amandreny, sady fankasitrahana ireo mpianatra. Fankaherezana azy ireo ihany koa mba hilofo hatrany amin’ny fianarana ny tahaka izao izay hisaorana ny mpiara-miasa sy ny mpanohana rehetra » hoy ny avy eo amin’ny kaominina.
Anisan’ny manampy ireo mpanabe amin’ny fampianarana sy fanabeazana ny ankizy eny ifotony ny fanohanana avy amin’ny kaominina sy ny fikambanana mpiahy. Mendrika ny hanaovana izany avokoa ireo sekolim-panjakana fanabeazana fototra rehetra mba hanatsarana ny lafin’ny fanabeazana.
Manitra Ramanantsoa
