ActualitésTatitra

Brésil : Bigfoot, mpikatroka MMA goavana

Nankalaza ny tsingeritaona nahaterahany omaly 14 septambra i Antônio Carlos silva antsoina hoe « Bigfoot » Silva. Mpikatroka MMA matihanina avy ao Brésil ao amin’ny sokajy « poids lourd » izy ary mpanao « kickboxing » ihany koa.

Nanomboka ny taona 2005 izy no niditra teo amin’ny sehatrin’ny matihanin’ny MMA ary nifaninana ho an’ny  UFC , Strikeforce , EliteXC , Cage Rage , Fight Nights Global , World Victory Road , K-1 HERO’S ary Cage Warriors. Efa tompondakan’ny “EliteXC Heavyweight, Cage Rage World Heavyweight Champion ary Cage Warriors Super Heavyweight Champion… ihany koa izy.

Fony vao kely i Bigfoot Silva dia efa nankafia ny haiady. 4 taona izy no nanomboka nikatroka karate, ary teo amin’ny faha 12 taonany izy dia efa nahazo ny fehikibo mainty tamin’izany. Taorian’ny fiofanana karate nandritra ny 14 taona dia nianatra « jiu-jitsu brésilien » sy judo izy teo amin’ny faha 17 taonany.

Laisser un commentaire