Manao antso avo amin’ny fanjakana ny UNICEF
29 Septambra, 09h00. Antso narahina hafatra mafonja no nataon’ny vondron’ny firenena mikambana miahy ny ankizy (Unicef) amin’ny fanjakana malagasy ny amin’ny tsy maintsy hanamafisana ny fampiasam-bola miantoka ny fiahiana ara-tsosialy mivelatra ho an’ireo 83% ny ankizy malagasy izay tafalatsaka lalina ao anatin’ny olana maro lafy vokatry ny fahantrana. Tsy afaka mianatra, tsy misitraka fitsaboana, tsy mitombo araka ny tokony ho izy, tsizarizary ny sakafo ary misy mihitsy ny tsy mahita hohanina satria efa miely patrana sy mitarazoka ny fahantrana.
