Mafy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo
Ankoatra an’i Zimbabwe, Nigeria ary Burkina Faso dia isan’ireo sokajiana ho ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa ny any Atsimon’i Madagasikara. Efa nanaovan’ny PAM na Programme Alimentaire Mondiale antso avo tamin’izao tontolo izao i Sud-Soudan, Ethiopie ary indrindra i Madagasikara ny volana jiona lasa teo mba hanampy azy amin’izao kere mianjady amin’ny mponina ao aminy izao.
Raha ny antontan’isa voaray sy nomen’ny PAM dia manodidina ny iray tapitrisa mahery kely eo ireo olona hiaran’izany kere izany any antsimo, ary « tena atahorana ny hiakaran’ny salan’isa, ary vinavinaina mety hiamafy ary izany ato anatin’ny volana vitsy raha tsy misy ny hezaka fitadiavam-bahaolana maharitra » raha naneho ny heviny ny tompon’andraikitra ao amin’ny « Agence des Etats-Unis pour le developpement International »- USAID nandritra ny fivoriana nataony niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy izay misehatra eo amin’ny fanampiana ny mpiara-belona.
« Mila avondrona ny hery mba ahitam-bokany mivaingana ary maharitra satria ireo izay famantsiana eo ampelan-tana dia tsy ho ampy velively ho tsinjaraina ho an’ireo tokony hisitraka azy any an-tsimo » hoy kosa ny mpiandraiki-draharahan’i États-Unis Amy Jane Hyatt. Raha tsiahivina moa dia ny volana jiona lasa teo no nahazo famatsiam-bola mitentina 40 tapitrisa dollars (157 000 tapitrisa ariary) i Madagasikara entina miady amin’ny kere, ary mbola hahazo famamantsiana 7,5 tapitrisa dollars (30 000 tapitrisa ariary) fanampiny ihany koa.
« Lasa fomba mihaja entina hitadiavana vola ho ahodikodina fotsiny ihany ity kere any an-tsimo ity » hoy i Aline, mpanara-baovao,raha nanontaniana ny heviny mikasika ny toe-draharaha any Atsimo.
Raha tsiahivina tokoa dia ny governemanta Amerikanina no anisn’ireo mpamatsy vola lehibe amin’ny alalan’ny USAID ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo nanomboka tamin’ny taona 2015 ka hatramin’izao.
Fanja Rakotoarisoa
