Atsinanana – Ampasimadinika : Efa mampiasa ny « dalle » Sanplat hialana amin’ny fangerena an-kalamanjana
Tsy ho tafiditra amin’ireo kaominina mbola mangery ankalamanjana intsony ny Kaominina Ampasimadinika Manambalo. « 95% hatramin’ny 98% amin’ny mponina eto amin’ny kaominina Ampasimadinika no efa manana toeram-pivoahana amin’izao fotoana izao », hoy i Jean Paul Iambana, ben’ny Tanàna.
Sarotra hoy izy ny fandresena lahatra ny mponina amin’ny fampiasana ireo lava-piringa noho ny mponina efa zatra mangery eny ankalamanjana eny hany ka zary lasa manamaimbo ny tanàna izany. Hisorohana ny valan’aretina maro samihafa mety ateraky izany loto izany dia nanatanteraka fanadiovana ny tanàna iray manontolo ny Kaominina. Na dia tsy mora aza ny fanatanterahana izany dia nataon’izy ireo zava-dehibe ny fananana tontolo iainana madio. Mbola misy anefa ny ezaka tokony hatao ao amin’ny kaominina Ampasimadinika eo amin’ny fahazahoan’ny mponina rano fisotro madio.
20% amin’ny mponina ao ihany no mahazo izany rano fisotro madio izany amin’izao fotoana izao, izany hoe fokontany iray ao anatin’ny enina. Ny fotodrafitr’asa sy ny asa fanadiovana dia tsy tanteraka raha tsy noho ny fanampian’ny « Projet Rano Wash » sy ny vondrona orinasa samihafa (Care, Water Aid, Catholic Relief Services, Bush Proof ary Sandandrano.) ary vatsian’ny USAID vola izany.
Maniry ny hisitraka izany fanatsarana sy fametrahana tetikasa vaovao izany ihany koa ny fokontany hafa ao anatin’ny kaominina.
Sitraka Rajaonarivony
