Pôle Stage Madagascar : Miara-miasa ny Ministera sy ny Oniversite tsy miankina amin’ny fiofanana arak’asa
Iaraha-mahalala fa maro ireo tanora no sahirana eo amin’ny sehatry ny fitadiavana asa ankehitriny,eny fa na eo amin’ny resaka fianara arak’asa aza dia efa ahitana izany fahasahiranana izany.
Notanterahina noho izany ny alakamisy faha 05 aogositra lasa teo ny fanaovan-tsonia izay fiaraha miasa amin’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana Sosialy, fanaovan-tsonia niarahana tamin’ireo Oniversite ambony ho fanampiana ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo amin’ny fanamorana ny fidirany eo anivon’ny sehatry ny asa sy ny fianarana aran-kasa amin’ny alalan’ny « Pole Stage Madagascar » na PSM.
« Anisan’ireo tafiditra tao anat’ireo mpanasoania ity fifanaraha ity koa ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana na ny MICA sy ny sindikan’ny indostria eto Madagasikara SIM » raha ny fanampim-panazavana nomen’ny tompon’andraikitra. Izany no natao mba ho fifandrindrana ara-drariny sy tsy mitanila ny fahazoan’ireo tanora stage sy fanomezana mpizatra asa (stagiaire) mamaly ny filan’ny orinasa. Marihina moa fa ireo mpisehatra maniry ny hiara hiasa amin’ny PSM, izany hoe ireo orinasa, toeram-pianarana na koa ireo mpampiofana dia afaka mifandray mivantana amin’ny tompon’andraikitra eto anivon’ny Ministera misahana ny asam-panjakana sy ny Ministera misahana ny varotra ary ny SIM » raha araky ny voalazan’ny tompon’andraikitra ihany. Vinanvinaina ho miisa zato (100) mahery eo ireo mpianatra avy amin’ireo sekoly efa miara-miasa no andiany voalohany hisitraka ity fiofanana izay atolotry ny PSM sy ireo mpiara miombon’antoka aminy ity. Anomboka ny volana Septambra ho avy izao izany fiofana izany.
« Ilaina tokoa ny fiaraha-miasa tahaka izao satria manampy be dia be ireo tanora. Maro ireo manana diplaoma anefa tsy ampy trakiefa na eo amin’ny resaka fianarana arak’asa fotsiny aza hany ka manano sarotra ny fitadiavana asa aty ahoriana » raha ny fanehoan-kevitr’i Minosoa, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Inona kosa anefa, hoy i Adrien, ny mety ho mason-tsivana takian’ireo tompon’andraikitra raha mba tia hisitraka ity fiofanana PSM ity ny mpianatra iray ?
Fantatra etsy ankilan’izany fa maro dia maro ireo Oniversite tsy miankina izay miforona, mipetraka ny ady hevitra amin’ireo mpanara-baovao hoe mba tena manara-dalana sy manaraka ny fenitra takian’ny fanjakana avokoa ve izy ireny ? Tokony ho jeren’ny ministera mpiahy ihany satria ny ho avin’ny ankizy no resaka.
Fanja Rakotoarisoa
