ActualitésTsidika

Niakatra ireo vidin’ny entana ilaina andavanandro

Niakatra avokoa ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Ny iray gony amin’ny saribao izao no efa tafakatra hatramin’ny 60 000 Ar, ny siramamy efa ho 3 000 Ar ny iray kilao, ny gony amin’ny lafarinina 121 000 Ar, ny menaka efa mahatratra hatramin’ny 8000 Ar ny litatra ary 11 000 Ar ny menaka « cacheté », ny vary gasy efa ho 3 000 Ar ny kilao ary ny vary avy any ivelany toy ny « Riz de luxe » manodidina ny 3 500 Ar eo ny kilao araka ny fanazavan’i Nivosoa, mpamongady iray etsy amin’ny tsenan’Anosibe.

Nilaza anefa ny Ministeran’ny Indostria sy ny varotra ary ny asa tanàna tamin’ny voalohan-dohany ny taona 2021 teo fa hijery sy hanara-maso ny fiakaran’ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro ireo. Velon-taraina ny ankamaroan’ny olona noho izany.

« Izaho izao mikarama iray hetsy Ariary isambolana, tsy maintsy mividy vary 10 kilao sy siramamy 2 kilao ary menaka 1 litatra aho isambolana hoanay 4 mianaka, mitotaly eo amin’ny 60 000Ar eo ny vola hividianako ireo kojakoja ilaiko ao antokantranoko » hoy i Vonjy, raim-pianakaviana iray. « Tena sahirana e, ka mba mangataka ny avy ao amin’ny ministera ny varotra tompoko mba tena hijery mihintsy ilay vidin’entana” hoy hatrany izy.

Tsy ny vidin’ny entana ilaina andavanandro ihany no hita miakatra amin’izao fotoana izao. Ny fitaovana ilain’ny mpianatra hiatrehana ny fidirana ihany koa dia nahitana izany fiakarana izany. Mety hisy paikady maharitra ve ahahafahana miatrika na manakana izany vidim-piainana tsy mitsahatra ny miakatra izany ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire