Kolontsaina: Ny hevitry ny “Hadivory”, “Amontana”, “Tambohon’ny Ntaolo” ary ny “anaran-tany”
Maro ny Merina nifindra nielipatrana manerana an’i Madagasikara nanomboka ny taonjato faha-17 ka hatramin’ny taona 1896. Anisan’ny hamantarana ny foko Merina manokana ny fisian’ny Hadivory, ny Amontana, ny tambohon’ny Ntaolo ary ny anaran-tanàna. Manana ny dikany sy ny heviny manokana anefa izy ireny.
Ny tanàna merina na nofehezin’ny foko Merina ihany no nisy hadivory. Hatrany amin’ny faritra Ankazobe ka hatrany Betafo, hatrany Itasy ka hatrany Mantasoa ary Anjozorobe no misy hadivory. Any amin’ny faritra kosa dia ireo tanàna izay nitobian’ny governora Merina sy tafika Merina no misy hadivory toy ny ao Imerimandroso any Alaotra sy Ivonea, ao Kianjasoa Fianarantsoa ary any Ambatoboeny. Araka ny lovantsofina, ny hadivory telo voalohany taty Imerina dia niorina tamin’ny taonjato faha-16 tao Imerimanjaka sy Alasora ary Ambohidrabiby. Ny mahavariana indrindra dia ry zareo indoneziana sy karàna any Inde dia tsy mba manao hadivory boribory manodidina hiarovana ny tanànany. Ny mponina tranainy efa 7000 taona lasa tao Eropa afovoany avaratra antsinanana sy ny mponina tranainy efa 4000 taona lasa tany Pérou any Amerika no nanao hadivory boribory manodidina ny tanàna. Midika izany fa ireny hadivory merina ireny dia fahalalàna efa tamin’ny vanimpotoana tranainy aman’arivontaona no voatahirin’ny Merina.
Mahakasika ny amontana kosa, ireo tanàna nambolena amontana na aviavy any amin’ny faritany dia ireo toerana nitobian’ny governora sy miaramila merina tamin’ny taonjato faha-19 na nisy taranak’andriana merina nifindra monina. Raha ny eto Analamanga, ara-tantara, dia ireo toerana nandalovana na nonenan’ny andriana na nisy mpanjaka ihany no misy amontana na aviavy.
Ny toerana nonenan’ny Merina ihany koa no misy ireny « tamboho ntaolo » ireny. Hita izany hatrany Ambohimahasoa. Heverin’ny mpandinika fa rehefa niala tsikelikely tamin’ny fanaovana hadivory ny Merina vao nanorina ireny « tamboho ntaolo » ireny, izany hoe nanomboka tamin’ny tapaky ny taonjato faha-18 na fiandohan’ny taonjato faha-19. Ny mahavariana indrindra dia teknika tranainy efa aman’arivontaona maro no nampiasain’ny Merina nanaovana ireny « tamboho ntaolo » ireny izay maro no tsy ravan’ny taona. Marihina ihany koa fa tsy mba manao itony « tamboho tany » itony ry zareo indoneziana sy karàna. Any amin’ny faritra Iran sy Afghanistan ary any Afrika no misy tanàna voahodidina tamboho tany.
Mahakasika ny anaran-tany; maro ny toerana nonenan’ireo Merina nifindra monina any amin’ny faritany no mbola mitondra ny anaram-bohitra niaingana taty Imerina na misy anarana hoe « merina ». Ohatra amin’izany » Imerinavaratra » amin’ny faritr’i Betsileon’ny Fandriana sy « Ambohimalaza » ao akaikin’i Sahambava Fianarantsoa, tanànan’ireo taranak’Andriandoriamanjaka nifanambady tamin’ireo taranak’Andriantompokoindrindra niainga avy aty Imerina.
