Arivonimamo : Nahazo fiofanana mikasika ny « psychologie » ieo zandary mpitaiza zaza kamboty
Nisy ny fiofanana mikasika ny « psychologie » tao amin’ny Akany Zandarimaria Arivonimamo nandritra ny telo andro. Nifampizara fahalalana nandritra izany ireo zandary sy ny manam-pahaizana mikasika ny sehatra.
« Tanjona ny ahafahana mikarakara ara-batana sy ara-tsaina ireo ankizy ao an-toerana ara-dalana. Eo ihany koa ny mba hahaizana mifehy ireo tranga mety hisy ato amin’ny Akany » hoy Julie Devaux, manam-pahaizana mikasika ny saina nitarika ny fiofanana. « Ny andro voalohany no nitadiavana ireo fahasarotana manodidina ny fitondran-tenan’ny ankizy sy ny tanora. Manampy betsaka ny fandraisana an-tanana ny ankizey taizana ny fizarana traik’efa tahaka izao » hoy ny lehiben’ny akany fitaizana zaza kamboty ao Arivonimamo.
« Mahafinaritra sy mahavelom-bolo ny fahaizana mitondra ankizy tahaka izany. Na dia kamboty aza izy ireo dia mahatsiaro tena ho manana ray aman-dreny ihany. Mila antsika tokoa ny zaza kamboty » hoy i Vero, mponina ao Arivonimamo. Nampiharina avokoa ny fampiofanana nandritra ireto telo andro ireto fa tsy nijanona ho teoria ihany. Tsara tokoa raha samy mahazo fampiofanana tahaka izao ny mpitantana ny ivon-toerana fitaizana zaza kamboty manerana ny nosy.
Nicole Rafalimananjara
