Dépêches

Toliara: Lehilahy iray hita faty tao an-tranony tao Betania

Dépêche 20 octobre, 15h, Nitrangana tsy fandraiam-pahalemana indray tao Betania Toliara ka lehilahy iray hita faty nihantona tao an-tranony amin’ny andro amin’ny 6 ora hariva tany ho any. Avy nirava niasa ny vadiny no nahita azy efa mihantona ao an-trano ary efa tsy misy aina intsony. Efa tonga ny tompon’andraikitra manao ny fanadihadiana manamarina raha nisy namono izy na nananton-tena. Mitohy ny fanadihadiana.

Laisser un commentaire