ActualitésTsidika

Fidangan’ny simenitra : Ny Holcim tokoa ve no ao ambadik’izany ?

Orinasa iray no voatonona ho mpanjanaka ka manararaotra amin’ny fampiakarana ny vidina simenitra eto Madagasikara.

Anisan’ny nahitana fiakarany teny an-tsena ihany koa vidin’ny simenitra fandalorana. Holcim izay anisan’ny mpamokatra simenitra eto Madagasikara no voalaza fa manao fanararaotam-pahefana ka mahatonga izao fidangan’ny akora fandalorana izao.

Raha ny fanehoan-kevitry ny olona iray any Antsirabe izay toerana misy ny orinasa Holcim : « Orinasa manao ampihimamba ny famokarana simenitra ny Holcim. Tera-tany vahiny no tompony ary manararaom-pahefana amin’ny sehatra rehetra eo an-tanana izy ireo. Manao kolikoly maro miaraka amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto an-toerana. Ankoatry ny fanaovany ampihimamba ny fandraharahana simenitra eto mantsy dia tena abaribarin’ny mpitantana an’io orin’asa io ny maha-mpanjanatany azy eto ». « Tetika maloton’ny Holcim ny mampidangana tampoka ny vidin’ny simenitra amin’izao fotoana izao fa resa-be fotsiny ny ankoatran’izay » hoy hatrany izy.

« Tsy tokony ho lafo be vidiny simenitra eto Madagasikara, satria raha dimapolo kilao avy any ivelany aza roa alina ariary amin’ilay kalitao tsara nefa izy ireo eto an-toerana ihany. Tokony jerena manokana ny mpamokatra itadiavana ny olana sy ifampiresahana ny vahaolana tokony ho raisina amin’izao tranga izao » hoy kosa ny fandalinan’i Tojo, mpianatra eo amin’ny sehatra ara-barotra.

Tsy mbola fantatra mazava aloha izay tena marina amin’ny fifandraisan’ny fidangan’ny vidin’ny simenitra sy ny orinasa Holcim ity. Raha ny tsikaritra eto amin’ny firenena kosa aloha tsy voavidy intsony ny simenitra ary mitaraina avokoa ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny fanjifana io akora io. Tokony jerena ifotony izao toe-javatra izao satria mijaly ny Malagasy amin’ny vidin’entana mihoampampana loatra. Antenaina manokana ny Ministrin’ny Varotra sy ny Indostria Edgard Razafindravahy hitondra vahaolana amin’izao fanararaotan’ny mpamokatra simenitra izao. Eo koa ny minisitry ny tontolo iainana sy ny minisitry ny vola izay tokony ho henjana eo amin’ny fampidiran-ketram-panjakana avy amin’izy io fa tsy ny toetsain’ny mpanjana-tany no hanjaka eto mandrakizay.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire