Oniversiten’ny Mahajanga : Miantso ny tompon’andraikitra hanokatra ny fanadihadiana ny Ministera mpiahy noho ilay hain-trano
Dépêche 20 février, 12h, Raha tsiahivina dia nisy fahamaizana ny tranon’ny mpianatra BLOC 22 ao Ambondrona Mahajanga omaly alahady ary raha ny fantatra hatrany dia vokatry ny fifandonana teo amin’ny samy mpianatra no nahatonga ny loza. Manameloka ny fanimbana fananana iombonana toy izao ny Ministeran’ny Fampianarana ambony ka miantso ireo tompon’andraikitra hanokatra ny fanadihadiana sy ny mba handraisan’ny Oniversite ny fepetra araka ny lalàna mipetraka mifanaraka amin’izany.
