SocialTatitra

Maurice : Lozam-pifamoivoizana nahafaty olona

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany Maurice androany 17 martsa 2021. Kodiaran-droa indray no nidofotra tamina fiara fitaterana entana lehibe iray teny amin’ny Piton. Maty tsy tra-drano vokatry ny dona araka izany ilay mpamily ny kodiaran-droa izay vao 24 taona monja. Nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly Jeetoo ho atao fizahana ny razana. Tsy mbola namaritra ny nahatonga ny loza hatramin’izao ny polisy any an-toerana fa mbola eo an-dalam-panaovana ny fanadihadihana

Laisser un commentaire