ActualitésTsidika

Andralanitra : Mitaraina ny mponina ny amin’ny fahaloton’ny rivotra iainana

Nifarimbona amin’ny famonoana afo ao Andralanitra ny avy ao amin’ny Société Municipale d’Assainissement (SMA) sy ny avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina.

« Nitrangana haintrano tao amin’ny fanariam-pako ao Andralanitra efa nanomboka ny asabotsy efatra ambin’ny folo aogositra lasa teo. Niteraka setroka goavambe izay nanakorontana ny fiainana andavanandron’ireo mponina manodidina azy, indrindra fa ny an’i Ambatomaro izany » hoy ny Kolonely Jaona Andrianaivo, Tale Jeneralin’ny SMA. Nanomboka ny sabotsy lasa teo ary mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny afo sy ny fifehezana izany. Raha ny filazany hatrany « mety fanahy iniana ny afo, ary mbola mitohy ny fanadihadiana ».

« Efa tonga tety an-toerana ny pompier nanampy azy ireo hamono ny afo saingy tsy voafehy vetivety izany nohon’ny fako mora mirehitra. Tsy azo niainana tety nanomboka ny asabotsy lasa teo, efa hiloko mainty ny lanitra ary mamofona ny Tanana » hoy i Rakoto, mpivarotra eny an-toerana. « Mila jeren’ny Fanjakana manokana ny ety Andralanitra, inona no tokony ho fepetra raisina manoloana ny tranga tahak’izao. Sao tokony averina jerena ny planina mandrafitra io toerana natokana hanatobiana ny fako io ary ifantohana ny teknika rehetra tokony hisorohana ny afo tahak’izao. Tokony mivonona amin’izany » hoy i Harifetra, mpianatra mipetraka eny Ambohimangakely. Raha ny hevitr’i Ramaroson, mpisehatra eo amin’ny fikajiana ny tontolo iainana : « Tsy maintsy ary tsy azo sakanana izao toe-javatra izao satria mora ny fiparitahan’ny afo amin’ity toerana ity. Porofon’izany izao tsy fahafehezana ny afo efa nanomboka ny sabotsy izao. Ny ahy indray, hevitra hafa no hisintomako ny fanjakana, azo atao tsara ny mijery toerana lavitra an’Antananarivo ary tsy misy olona mipetraka anariana ireto fako ireto. Mijaly ny mponina isakin’ny misy tranga toy izao ».

Seheno, izay mpanodina irony tavoahangy irony ho akora fampiasa kosa nilaza fa azo eritreretina tsara ny mamadika ireny fako ireny ho akora azo ampiasaina. Efa betsaka ny firenena no manao izany ho fanenana ny fako ao amin’izy ireo. Aiza daholo ireo mpianatra mpikaroka hanao izany ».

Marihina fa ny kaody momba ny fahadiovana eto Antananarivo dia mandrara ny tsy handoroana fako. Tokony jerena manokana ny momba an’Andralanitra. Efa tsy miteny intsony ny mponina fa saingy miaritra ny amin’ny fahasimban’ny rivotra madio eny an-toerana. Tsy ao anatin’ny fanatsarana an’i Madagasikara ve ny fahadiovana, aleo ampidirina ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fitadiavana vahaolana momban’ny Andralanitra.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire