ActualitésTsidika

Ankadikely ilafy : Hitohy ny fanohanana ny mpianatra amin’ny alalan’ny hetsika « cantine scolaire »

Nanomboka tamin’ny herinandro teo ny hetsika fanohanana ara-tsakafo ny mpianatra, amin’ny alalan’ny fampisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire). Sekolim-panjakana miisa 3 no efa nanaovana izany hetsika izany, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, dia ny EPP Ankadikely, EPP Antsahamarofoza, ny EPP Andafiavaratra ary ny EPP Ambohibe.

« Ho fanohanana ireo mpianatra hifantoka sy hazoto ary hahavita soa aman-tsara ny taom-pianarana moa no anton’izao hetsika izao. Tanjona hatrany ny hampiakarana ny tahan’ny fahafaham-panadinana sy ho fampihenana ny tahan’ireo mpianatra mitsoaka an-daharana » hoy ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

« Anisan’ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra indindra ny hanao vaindohan-draharaha amin’ny fanohizana ny fanohanana hatrany ny sehatry ny fanabezana sy ny fampianarana ato anatin’ny kaominina. Hisaorana ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa izay mifanontrona amin’ny kaominina hatrany amin’ny fanatanterahana ny hetsika » hoy hatrany ny fanazavana.

Hafaliana ho an’ny zaza malagasy moa ny mandray sy mahazo fanohanana tahaka izao, indrindra ny ara-tsakafo. Ireto farany izay zo fototra tokony omena ny ankizy kanefa mihatakona izany ankehitriny noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny.

Manitra R.

Laisser un commentaire