Ukraine : Niresaka teo anatrehan’ny ONU ny filoha Volodymyr Zelensky
Niatrika ny filan-kevi-piarovan’ny ONU tamin’ny lalan’ny horonantsary nampitain-davitra ny filohan’i Ukraine Volodymyr Zelensky ny talata teo. Nanameloka an’i Russie nanao heloka bevava tamin’ny ady sy namono olona mantsy izy rehefa nahita ireo razana maro be tao Boutcha. Fanamelohana izany nolavin’i Russie tanteraka ary notsarainy ho sarin’ady hanamelohana azy.Voalohany hatramin’ny nanafihan’i Russie an’i Ukraine no niatrika filan-kevi-piarovan’ny ONU ity filohan’ity Ukraine. Ho fantatrin’ny mponin’i Russie tsirairay hoy izy talohan’ny fivoriana izay mpiray tanin-drazana aminy mpamono olona na nanome baika nanatanteraka izany.
