Dépêches

Itampolo : Mpikambana ao amin’ny komitin’ny parc nahatrarana hazo tsy ara-dalana

06 Aprily, 08h00. Vokatry ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po dia nirotsaka ifotony tao amin’ny Fokontany Ambolosogny Faritra Atsimo Andrefana ny Zandary avy ao Itampolo sy ny mpitantana ny faritra arovana Tsimanampetsotse ny 3 aprily 2022. Tratra tao an-tokotanin’ny mpikambana amin’ny komitin’ny parc iray ny « bois rond » niisa 52 sy hazo fisaka miisa 19 izay samy tsy ara-dalana avokoa. Nosamborina avy hatrany io tompon’andraikitra io ary efa atao famotorana mialohan’ny hanolorana azy ny fitsarana. Toamasina: Efa misokatra amin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana kick-boxing Malagasy Tontosa tao Toamasina renivohitra ny 03 aprily lasa teo ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2022 eo anivony federasionina Malagasy ny kick-boxing. Niatrika izany tany an-toerana ny filohan’ny lalao, Général de division Lylyson René de Rolland sy ireo mpikatroka isan-tsokajiny ary ireo manam-pahefana tao an-toerana.

Laisser un commentaire