Covid-19 : Maherin’ny 5 tapitrisa ny matin’ny Covid maneran-tany
Nahafaty olona maherin’ny 5 tapitrisa ny valan’aretina covid-19 hatramin’ny nahitana azy tao Chine ny desambra 2019 araka tatitry ny fanadihadiana nataon’ny AFP ny alatsinainy teo. Avy amin’ireo tompon’andraikitra isanisany avy amin’ny firenena samihafa no nahafahana nanome io isa io raha ny fanazavana.Maro nefa ireo trangam-pahafatesana tsy voarakitra ao amina firenena maromaro hoy ny OMS ka mbola tsy azo lazaina ho antontan’isa ofisialy io navoakan’ny AFP io. Mbola avo roa na telo heny io isa io raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Niverina niakatra kosa ny taham-pahafatesana tao anatin’ny roa volana noho ny firongatriny valan’aretina ao Europe indray hoy i Tedros Adhanom Ghebreyesus, tale jeneralin’ny OMS.
