Mahatsiaro ho voahilika ny « Paramed »
Anisan’ireo mandray anjara lehibe amin’ny ady atao amin’ny covid-19 ny mpiasan’ny fahasalamana. Tsy mikely aina izy ireo amin’ny adidy izay atrehiny. Efa betsaka ireo mpiasan’ny fahasalamana voan’ny covid-19 hatramin’ny nidiran’ny valan’aretina teto Madagasikara. Akoatra izay, efa anjatony ihany koa ireo namoy ny ainy. Manoloana izany anefa, mahatsiaro tsy ampy fikarakarana izy ireo raha nambaran’ny filohan’ny sendika Paramed. Araka ny lalàna, adidin’ny fanjakana ny manome fitaovana hiatrehan’izy ireo ny asany, raha ny nambaran’ny filohan’ny sendika Paramed hatrany. Mitaky ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto ny hanomezana fitaovana feno sy tonga ara-potoana ho azy ireo, mba hiarovana ny ainy. Izy ireo tokoa mantsy no mifanerasera mivantana amin’ireo tsaboina voan’ny Covid-19. Takian’ ny sampana ihany koa ny fanomezana mari-pankasitrahana manokana amin’ny fiatrehana ny valan’aretina. Tokony ho raisina an-tanana ny fitsaboana azy ireo.
Mampionontsoa Rajaonson
