Fanafihana mitam-piadiana : Raim-pianakaviana iray lavon’ny bala
Raim-pianakaviana iray no maty voatifitra nandritra ny fanafihana mitam-piadiana tao Ambodisaina Anjahambe ao amin’ny kaomina ambanivohitra Ambatoaragna, distrika Vavatenina. Nisehoana halatra mitam-piadiana ny alina ny sabotsy 21 Aogositra 2021 tao amin’io tanana io.
Olona mitam-piadiana 06 no niditra ankeriny tao amin’ny tranon’ity niharam-boina ity ary lasan’izy ieo tamin’izany ny fiavaka sy ny vola rehetra tao an-tranon’ity raim-pianakaviana ity. Nitsoaka avy hatrany moa ireo jiolahy mpanafika ireto rehefa azony ireo zavatra sarobidy. Araka ny loharanom-baovao tao an-toerana mitentina amin’ny tapitrisa ny vola norobain’ireo jiolahy. Rehefa nahampafantarana ny zava-misy ny zandary dia nidina tany an-toerana. Tsy tonga ara-potoana anefa izy ireto fa ny fanadihadihana no natao. Mbola eo am-pitsoahana ireo mpanafika ireo ary tsy mbola fantatra ny mombamomba azy ireo.
Mihamaro hatrany ny tranga fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Ny ankamaroan’ireo tranga dia miafara amin’ny fahafatesan’ny olona voatafika. Ireo mpanafika raha teo ihany koa tena mampiasa ny herisetra fa tsy vitan’ny mangalatra izy ireo no mamono. Manoloana ny tsy fandriampahalemana an-toerana, manao antso avo ireo mponina ary mangataka mba handray fepetra henjana amin’ireo mpanao ratsy ireo ny mpitandro ny filaminana. Noho izany, efa nametraka hetsika hiadiana amin’ny ireo tambanjotran-jiolahy ny mpitandro ny filaminana amin’ny ireo faritra malaza ratsy na faritra mena.
Sitraka Rajaonarivony
